Tetikasa Telomiova

  • Accueil
  • E-campus
    • Tutoriels
    • Annuaire
    • Logithèque
    • Bien utiliser les outils
  • Nos actions
    • Notre évènement de lancement
    • Traduire le site en malagasy
    • L'outil Vaombolana
    • Tolotra Boky sy CD
  • Blog
  • Forum
  • Soutenir
  • Actualités

Fetin’ny aterineto Malagasy

June 30th, 2008  |  Published in Collaboration, Projet Telomiova, [Mg]

Raha vao miresaka solosaina, dia tsy maintsy tonga ao an-tsaina ny momba ny aterineto. Ary raha vao miresaka aterineto dia tonga indray ao an-tsaina ny mailaka, ny resaka mivantana, ny lalao, ny fitadiavana namana, sns… Izany hoe raha tsorina dia ny “mahafinaritra” no betsaka ampiasan’ny olona ny aterineto. Ireny no be mpitsidika raha vao mitopy any amin’ny fafana eo anoloan’ny olona iray mampiasa solosaina ka mitsidika tranonkalan-tserasera ny maso.

cimg0284.jpg

cimg0310.jpgNatao tao amin’ny Hotel Carlton Anosy nandritry ny roa andro (28 sy 29 jona 2008) teo ny fetin’ny aterineto teto Madagasikara. Ny AE MISA (Associaton des Etudiants- Maîtrise en Informatique et Statistiques Appliquées) no nikarakara ny hetsika. Tsy azo lazaina ho vitsy ny mpitsidika, nefa koa dia heveriko fa tokony ho betsaka noho izay tonga tao raha toa ka nampiasa fampahafantarana hafa ankoatra ny Radio, Télé, sy Gazety ny mpikarakara. Tsinjo mantsy fa na dia ireny Lamba ahantona ho hitan’ny besinimaro fametraka eny amin’ireo toerana be mpandalo, toy ny fiandrasana fiara mpitatitra, sy ny manakaiky tsena aza dia toy tsy nisy, ary indrindra fa na dia teo akaikin’ny Hotel Carlton izay nadray ny hetsika aza.

Na izany aza anefa dia nafana sy nahafinaritra ny tao anatiny tao. To ny fanomezana fotoana (20mn isaky ny andiany) hahafahana miserasera tsy andoavam-bola amin’ny aterineto. Faly tokoa ireo mpitsidika tamin’izany ary misy mihitsy aza ireo izay tsy nody raha tsy tamin’ny firavan’ny lanonana amin’ny hariva. Anisan’ireny ry Fcandy telo mirahavavy   izay nilaza ny hiverenany amin’ny sehatry ny blaogy aorian’ny fanadinana BEPC.

Isan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’izany ny TETIKASA TELOMIOVA. Nifanotofana ny fanontaniana sy ny famaliana azy ireny. Tamin’ny andro voalohany dia nahitana an’I  Ando, Dotmg, Glou, Avylavitra, Jentilisa, Elsifaka tao anatin’ny tranolain’ny Telomiova. Ny andro faharoa kosa dia I Blanche, Voahirana, Avylavitra, Dotmg, Jentilisa. Nandalo teo ihany koa I Patou sy Naritsimba (Serasera). Tsy azo adinoina koa anefa ny fanatrehan’I Annie izay nitondra hery sy tosika tokoa ho an’ny ekipa.

Hetsika voalohany nisehoan’ny Tetikasa Telomiova iny, nefa dia betsaka ny liana. Anjaran’ny Telomiova izany izao ny manao ny mety ho fanohizana izay efa mijoro. Maro mantsy ireo naneho fahavononana hiara-hiasa amin’ny Telomiova. Isan’ireny ireo mpampianatra vitsivitsy tonga tamin’ny anaran’ny tenany manokana ka naka ny laharana hahafahana miserasera amin’ny tompon’andraikitra (Tosoa), ny Université Ankatso, nisy koa solon-tenan’ny Kolejy Saint-Michel izay nandalo naka ny mombamomba ny Tetikasa sy efa nametraka sahady fa hanao hetsika ato ho ato ary dia isan’ny hahazo fanasana any ny Telomiova.org , ny JOJOPIL.org, ny TANANALIFE.com. Ireo moa dia tsy hafa fa mpiara-miasa akaiky daholo ihany tao anaty tranolay iray nikambanana. Teo koa ny CNFOI (Campus Numérique Francophone de l’Océan Indien), ny collège Fleuron sy ny fikambanana hafa (tsy tadidiko ny anarany raha tsy miverina mijery ny rakitra an-tsoratra aho, miala tsiny)

Nanao vela-kevitra momba ny Tetikasa Telomiova ho an’ny besinimaro I Tosoa, ary dia liana ery ny rehetra

Nisy ny loka zaraina amin’ireo mpitsidika isaky ny mahavaly fanontaniana izy ireo. Izany dia na tamin’ny lalao nokarakarain’ny MOOV, na tamin’ny lalao nokarakarain’ny TELOMIOVA. Marihiko fa tsy nisy nikarakara fampilalaovana Quizz afa-tsy ny MISA sy ny TELOMIOVA raha ny mpandray anjara, fa teo amin’ireo mpanohana ny hetsika kosa no nahitana ny loka avy amin’n y MIDI Madagasikara sy ny  MOOV. Teo koa anefa ny PES 2008 nokarakarain’ny mpikarakara ny hetsika.

Nahitana ny sokajin-taona rehetra ity fetin’ny aterineto ity (andiany fahasivy 9ème edition). Ka ny zandriny indrindra tamin’ireo mpikirakira tonga tao dia I Imanoela Fifaliana izay vao 7 taona monja. Hita eo amin’ny sary manazava amin’ny reniny ny kely fantany momba ny fandehan’ny atao hoe aterineto.

Tsaroako eto ny fidongian’ilay fianakaviana karana kely misy efatra mianaka ny Tee-shirt TELOMIOVA.

Ny Jojopil (namorona ny fitaovana mampihodina ny TAOTENY) sy ny Tananalife.com kosa dia nanolotra fanomezana misy fampahafantarana ny tranonkalan-tseraseran’izy ireo tamin’ireo mpitsidika naneho fahavononana sy fahalinana tamin’ny zava-bitany.

Miandry zavatra betsaka amin’ny Telomiova ny mpitsidika, indrindra fa ny mpianatra sy ny raiamandreny, dia HEREZO ‘ZALAHY !!!!

Leave a Response

S'abonner

Actualités
Commentaires

Entrer votre email :


follow telomiova at http://twitter.com
Telomiova photos
Our group

Add to Technorati Favorites

Retrouvez-nous :

  • Le wiki
  • Ralliez le projet
  • Sur Youtube
Egalement:
Delicious   Telomiova on Facebook   Telomiova on Flickr   Telomiova on Technorati   Telomiova on Twitter  

Actualités

  • Telomiova au MIT
  • L’équipe se forme, communique et s’internationalise
  • Ouverture de Telomiova Blaogy
  • Telomiova à la Fête de l’ Internet - Compte-rendu final
  • Tutoriels: le niveau Intermédiaires est rédigé
  • Fête de l’internet 2008 vue par Moov
  • Telomiova à la fête de l’internet, vu par DotMG
  • Fetin’ny aterineto Malagasy

Sujets

évènement alpha antananarivo apprentissage en ligne association aterineto boky cd cms Collaboration E-campus e-learning extensions fête de l'Internet fampianarana fanantenana faniriana fanolorana foad Infogasy internautes jojopil joomla kolotsaina lancement malagasy manifeste mise en ligne mivelatra moov néologisme outils projet rédaction réseau réunion revue serasera site structure structures telomiova tetikasa tolotra Tutoriels

Le projet Telomiova  Qui sommes-nous  Médias  Ressources  Nous contacter  Mentions légales
©2008 Tetikasa Telomiova: Internet, Malagasy, Mivelatra - vita malagasy :)   Actualités   Commentaires